mar.
23
mars
2010
Tato ho ato izay dia mirongatra ny asan-jiolahy. Hita anefa izao fa tsy mitaraintana- miempaka ny mpitandro filaminana raha ny nahazo ireto jiolahy raindahiny roa, lavon’ny balan’ny GIR “Groupe d’Intervention Rapide”, tetsy anoloan’ny Lab’art etsy Antaninarenina, omaly, nanodidina ny tamin’ny 11 ora teo ho eo. Raha ny vaovao azon’ny GIR dia miomankomana hanafika eny Antaninarenina eny ry Lovakely sy ny namany. Rehefa nojokoina tokoa dia indreo fa tazana avy any amin’iny BFV SG iny hitodidoha ho any amin’ny BOA. Rehefa notairin’ny GIR dia nikoropaka namoaka ity PM “Pistolet mitrailleur” nafenina tany anaty “sac” ilay jiolahy. Ny balan’ny GIR anefa no tonga aloha ka niantefa teny amin’izy ireo. Nandriaka ny rà ary mbola tazan’ny mpandalo teny ny potika ati-dohan’izy ireo. Raha ny nambaran’ny mpitandro filaminana dia jiolahy rain-dahiny izy ireto ary efa maro ny fanafihana mitam-piadiana vitany. Tsy fantatra kosa aloha na efa nisy namany hafa nisaodisaody teny amin’ny manodidina teny tamin’ny fotoana nisian’ny poa-basy. Ny omaly io ihany dia nentina tany amin’ny tranom-paty Hjra izy ireo. Nandeha ny resaka teny amin’ny manodidina fa ny FIS no nahavita ny “acte”. Rehefa nalaina anefa ny vaovao dia ny GIR no nahavita izany. Tsy mampiova na inona na inona izany fa samy mpitandro filaminana vonona hamongotra ny asan-jiolahy ireo. Ny vokatra tahaka izao no zava-dehibe izay marihana fa nahavita ezaka goavana tahaka izao ihany koa ny FIS. Tsiry