Basy Tsy Mipoaka - Iny Olona Iny

mar

18

oct

2011

Apokalypsy 2013

Hitondra an’i Madagasikara amin’ny fomba mahagaga iny olona iny, rehefa ho tanteraka ny tenin’ny faminaniana nolazaina taminy. Raha vao misy ny fiovana amin’ny fandehan’ny toe-draharaham-pirenena dia mahagaga tokoa fa ifanotofan’ny mpampahalala vaovao hanontaniana ny hevitr’iny olona iny. Izany toe-javatra izany dia toa manome lanja sy ahafahan’iny olona iny mivalampatra tsara amin’ny mety ho tohin’ny faminaniany. Ny zavatra rehetra misy sy iainan’ny firenena hatramin’izao, sy izay mbola ho avy, dia efa  fantatr’iny olona iny mialoha daholo araka ny filazany, izay nomarihiny  hatrany eo ampanazavan-dresaka fa samy hafa ny faminaniana sy ny famakafakana. Tena mipetrapetraka araka izay fomba filazany daholo ny zava-misy iainantsika eto. Misy ny milaza fa mahay mamaky tsara ny zotran’ny fiovana ara-politika tokoa iny olona iny. Ao koa anefa ny  mpanatsatso no milaza fa mirediredy sy mpampihorohoro vahoaka fotsiny izy iny. Voatondro ho mpaminany sandoka, mpamitaka sy mpanao doka ho an’ny fikambanany fotsiny iny, hoy ny hafa. Hita taratra tokoa fa na eny an-dalana, na eny am-pivorivorinana rehetra eny dia mitodika any amin’iny olona iny hatrany resaka raha vao misy toe-javatra mifanakaiky amin’io taona 2013 io.

Lire la suite 12 commentaires

Maso Mijery - Saina Mahatadidy

mer

06

jui

2011

Miverimberina sy miodikodina ny tantara...

Lire la suite 0 commentaires

BasyVava TV - Vaovao Tapatapany

Ireo Vaovao Politika Misongadina 

mar

26

jui

2011

Mpanao politika gasy : Tsy mahafantatra ny dikan’ny sonia

Misy antenaina amin’izay sonia hataon’ny mpanao politika ve? Toa tsia avy hatrany no valiny, satria toa tsy matotra amin’izay rango-pohy na rango-dava nataony ireto mpanao politikanareo ireto. Akaiky ny hidirantsika amin’ny volana Aogositra izay hamaranana ilay tondrozotra avy amin’ny SADC, ary hamaranana ny krizy eto amintsika. Alohan’izany anefa, dia efa tsinjo, fa hiverina indray ny fandavana izay ho vita eo, toy ny tany Maputo sy Addis Abeba tamin’ny taona 2009 iny. Raha ireo fanehoankevitra ataon’ireo milomano ao anatin’ny fahafinaretana amin’izao tetezamita izao, toy ny filazana fa tsy mahazo mody Ravalomanana, sy ny fikasana hanao fifidianana samirery, dia mbola lavitry ny afo ny kitay!

Lire la suite 5 commentaires

mar

26

jui

2011

Nankaiza marina ary nanao inona ?

Ny tsaho no matanjaka sa ny marina mihitsy no tsy tiana holazaina? Ny niaingan’ny filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita teto an-tanindrazana ho any ivelany any aloha dia efa nampametra-panontaniana. Niainga an-tsokosoko. Na dia anton-dia manokana aza manko tokony mba ho fantatry ny sarabambembahoaka ihany, indrindra fa ny mpandoa hetra. Fa inona no antony no tsy nambarambara taman-kavana? Nisy ny nilaza fa ho fitsimbinna ny fiainany manokana no antony. Saingy, misy ihany koa ny feo mandeha sy resaka an-tsoratra, any anaty gazety samihafa any, milaza antony hafa ihany.

Tsy salama ?

Anton’ny fahasalamana. Izay no voalaza. Fa dia naninona loatra? Noho ny tsy fahavitan’ny sonian’ilay tondrozotra (efa nasiam-panitsiana) angaha ! Mety koa noho ny tsy fisian’ny fandriampahalemana ara-politika angamba… Maro dia maro mantsy ny henjika isan-karazany, toy ny nahafaty ilay lehilahy mbola tanora voalaza fa saika hitifitra ny «cortège-ny» tamin’ny «flesy fingotra» angaha…

 

Lire la suite 8 commentaires

Ireo Vaovao Samihafa 

mar

26

jui

2011

Vehivavy nangarona : Tapaka ny tanan’ilay zaza tao am-bohoka

Tsy nahay nisikotra, ka nahitan-doza! Izay no nahazo ity renim-pianakaviana iray, nitondra ny zanany nihotra teny Sabotsy namehana. Ontsa ny fon-dreniny nahita ny nafitsok’ity vehivavy izay nampiteraka azy, satria efa zaza faharoa naterany ity vao teraka tamin’ny herinandro ity. Saro-piterahana ramatoa, ary dia nisikotra mafy ilay rasazy hafakely, saingy ny sandrin’ilay zaza no voa vokatr’izay tsy fahaiza-nangarona ny fivavian’ilay reny niteraka izay. Manaraka fitsaboana sahady amin’ny alalan’ny hotra io zaza io amin’izao fotoana, ary be no nanome tsiny ity reny ity ny tsy nandehanany teny anivon’ny hopitaly rehefa hita fa ho sarotra ny fiterahany.

 

 

Lire la suite 0 commentaires

mar

26

jui

2011

Mpiasan’ny zone tsy mahaloa hofan-trano: Manao firaisana hono, dia samy miala

Nandia fotoan-tsarotra ny mpiasan’ny orinasa afaka haba ny taona 2009. Nitohy tamin’ny fisintahan’ny AGOA izany, ka saika nikatona daholo ireo trano fiasana maro eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Nanomboka teo, dia nandia fotoan-tsarotra ireo mpiasa, indrindra fa ireo manofa trano. Tsy misy ny asa, nefa ny hofan-tranon’olona tsy maintsy aloa. Be no nandeha nivaro-tena, ary nisy ihany koa ny niverina nody tany ambanivolo.

Lire la suite 7 commentaires

mar

26

jui

2011

Tavela tao anaty fivaviana ilay finday !

Hafahafa indray ity zavaniseho ity. Tamin’ny volana septambra 2009 no niseho ny tantara, araka ny nitateran’ny gazety “la voix du nord” azy. Sady mahatsikaiky sy mahasadaikatra no sady tsy mampino. Nikorapaka nitady ny findainy izay noheveriny ho very ity ramatoa iray avy niara-natory tamin’ny sipany tao an-tranony nony nifoha ny ampitso maraina. Teo am-pitadiavana ny findainy hatrany ambany fandriana sy tamin’ireo toerana samihafa noheveriny ho nametrahany azy eran’ny efitrano natorian’izy ireo anefa no injay reny naneno sy nihovitrovitra ilay finday notadiaviny, nandritra ny minitra maromaro. Hatairana ny azy fa hay tany anatin’ny fivaviany (ny lalan-jaza) no nisitrika ilay findainy!

Lire la suite 12 commentaires

Gazety BasyVava

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra