Basy Tsy Mipoaka ----------------------------------> Pejy 3 (Basy Vava)
sam.
18
mai
2013
Mazava ny voalazan’ny tondrozotra fa ireo andrimpanjakana mandrafitra izao tetezamita izao dia tsy ho afaka hifanongana. Voarara ny fifanonganana, tsy manana izay rijan-teny ho fandrodanana ny filohan’ny tetezamita, na koa handrava ny parlemantera roa tonta ilay tondrozotra. Dia voatery miharitra izay efa voasoratra ao anatin’izany fifanarahana izany aloha ny mpanao politika, na dia efa mifaninana maneho hevitra aza ny ankamaroan’ny ireo rehetra naneho hevitra tato ho ato fa tsy mahavaha ny olana ny tondrozotra sy ny fampiharana azy. Nanao hevitra ho amin’ny fampiharana izay voasoratra ihany ny rehetra fa tsy tafavoaka raha ny fotoana no tombanana. Hifarana ihany ity ny volana mey 2013, tokony nampilamina farafaharatsiny ny fampiharana ny famotsoran-keloka sy ny famoahana ireo rehetra mbola any amponja any, na koa ho famerenana an-tanindrazana izay mbola sesitany politika. Tsy naharitra izay zava-misy izay, nandamoaka ny resaka nifanazavan’ny mahay azy, nanao fananmbaràna mifanesy ireo sehatra iraisam-pirenena fa tokony iverenana ho dinihina ny maha-kandida ny mpirotsaka ho fidiana miisa telo. Mivoitra indray ny hevitra fa tokony hampanaja izay lalàna tena ifanarahana ho amin’ny famahana olana ny miaramila. Raha ny fanehoan-kevitra etsy sy eroa dia tsy ho fahefana ara-miaramila akory no ao an-tsain’ny mpaneho hevitra, fa mba hananan’ny miaramila fahasahiana hanaja ny maha-tsy miandany azy, ka hanantanteraka farafaharatsiny izay voasoratra ao anatin’ny tondrozotra. Fa ireny fihetsiky ny miaramila manaiky ny fanatanterahana ny hevitra tari-tokana ho fisakanana ny fampanjariana ny tondrozotra ireny no tena voakiana mafy ankehitriny. Tsy nahavita akory ny ampaha folon’ny nandrasana aminy ny parlemantera roa tonta, tsy hita veroka ny mety hahombiazan’ilay CENIT, ary ireo fahefana natao hanara-maso ny fampiharana ny tondrozotra, toy ny firaisa-monina sivily sy ny CSC na ny fiombonana FFKM, dia tsapa ho kely hery. Tsy nahagaga loatra raha niantso ny miaramila hahatsapa ny andrikiny ny olompirenena sy ny mpano politika mbola manantena ny fampiharana ilay tondrozotra. Ny nahagaga anefa dia ny hery ara-miaramila indray no nangeja ilay hetsika ho fiantsoana azy , izany no niseho tamin’ilay hetsika tery afivoan’Analakely tery.
Mpaminany Fôpla
sam.
18
mai
2013
Araraoty ihany aloha ilay fiandrasam-paty eo an-tanàna rahariva mba hanaovana izay tokony atao. Efa ela ihany no nafatotry ny fanambadiana tao an-trano tao ka mba tapaka kely aloha ny kofehy namatotra e ! Iza moa no hahita izay ataonao any? Mba mody miseratserana ho hitan’ny mpiray monina eo aloha hatramin’ny 10 ora alina any hoany, dia avy eo dia miridana mikaroka izay lalana tokony aleha any amin’ny ville any. Tsy misy fotoana tsara azo araraotina ankoatra ity anio ity, fa aza miveravera sy mihanahana ry havako. Sao dia hanenina indray rehefa itantaran’ny olona ny revy fanaony isaky ny faran’ny herinanazdro. Hano daholo izay azo hanina, ary aza mieritreritra ny hiverina ao an-trano raha tsy efa hadiva haraina ny andro. Tonga dia matoria, aza mifoha intsony avy eo fa manan-drariny ianao fa efa nahavita “adidy”.
Ireo Vaovao Politika Misongadina
ven.
17
mai
2013
“Fanapahan- kevitra tsy azo iverenana intsony ny navoakan’ny CES amin’ireo mpilatsaka hofidiana ho filoham- pirenena, indrindra ny an’i Lalao Ravalomanana”, hoy ny antoko Taniko i Madagasikara raha naneho hevitra omaly. Tsipahiny tanteraka ny fanapahankevitra noraisin’ny Sadc sy ny Vondrona Eoropeana amin’ny fanerena ny fialan’i Lalao Ravalomanana amin’ny fifidianana izay tsy hitondra famahana ny olana amin’izao fotoana izao. Manohana t s y m i s y f e p e - tra an’i Lalao Ravalomanana Rakotonirainy ny Taniko i Madagasikara amin’ny fifidianana hatao ny 24 jolay izao ka ny teny filamatra amin’izany dia ny hoe : “Omeo vehivavy Hendry aho hananganako firenena vanona”. Ny antoko Taniko i Madagasikara koa dia mitaky ny fampiharana ny lalàna amin’ireo kandidà filoham-pirenena . Tokony hanome ohatra amin’izany ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina sy ny filohan’ny CST Dolin Rasolosoa ka hametraka ny fialany. Nomarihin’ny Taniko i Madagasikara fa tsy mbola mipetraka ny fitoniana politika eto : tsy mivoaka ny gadra politika, ny haino aman-jery nakatona tsy misokatra… Ny antoko Taniko i Madagasikara izay hanao ny kongresy nasionaliny ny sabotsy izao dia mifototra amin’ny sosialy- demokrasia, hametraka ny fahalalahana, ny fitoviana ary ny firaisan-kina. Isan’ny tanjony ihany koa ny hitahiry sy hanatsara ny tontolo iainana ka hiady amin’ireo mpandroba ny harem-pirenena. Hametraka ihany koa ny fampandraisan’ anjaran’ ny vehivavy eo amin’ny sehatra fanapahan- kevitra rehetra eto amin’ny firenena, ny Taniko i Madagasikara ary tsy manaiky intsony ny fitsabahan’ny firenen-kafa amin’ny raharaham-pirenena Malagasy izay manamafy sy mampiseho amin’ny endriny vaovao ny fangejana sy ny fanjanahana ary indrindra ny fanasaratsarahana ny Malagasy.
jeu.
16
mai
2013
Tena mpaminany sandoka marina ity Pasitera Mailhol ity le aza! Tsy sandoka izany kosa izy, fa mitombina ny faminaniany, saingy mety diso filaza fotsiny, fa tena misy olona hapetraka ho filoha eto amin’ity taona 2013 ity. Io indray no resa-be manaraka ny arabe eto amin’ny tanàna e. Taorian’ny naha-kandida tsy nahy an’ity Rajoelina ity, dia tena nisy tokoa ilay faminanian’i Pasitera Mailhol, saingy tsy ny tenany nahita ny faminaniana no ho filoha, fa Rajoelina. Iza tokoa no tsy hihevitra fa toa apetraka fotsiny anie ity rangahy kely ity e. Tena manaraka izay tiany atao ny rehetra, izay miainga any amin’ny CES ary mbola io mitady hevitra tsy hametra-pialàna io indray izy. Tsy misy miteny ny fahefana hafa, satria matahotra azy tokoa izao tontolo izao e. Afaka ho aiza amin’ny faminaniana tokoa moa, satria efa voatendry tokoa izay fahazoany fanjakana amin’ity 2013 ity, raha tsy izany ve izy hiankohoka any amin’ny tamboho masina any Israely sy nihazo an’i Vatican. Voa mafy ny Pasitera Mailhol nanambara io faminaniana io, satria lasan’ny mpanandro ny fahefana, fa tavela ny mpitondra tenin’Andriamanitra e! Sarintsariny fotsiny sisa anie ity fifidianana ity, fa efa voalahatra ny zavadrehetra e!
Trangam-piaraha monina
mar.
26
mars
2013
Anarany no mba renivohitr’i Madagasikara fa raha ny fotodrafitrasa mahakasika ny fidiovana dia mbola lavitr’ezaka. Tsy misy afatsy 24 % n’ny tokantrano eto Antananarivo-Renivohitra no manana rano fisotro madio. Ny 76 % izany dia mampiasa ireny tobin-drano iombonana (borne fontaine publique) ireny avokoa. Ny tompon’andraikitry ny tanàna no nanambara izany ny faran’ny herinandro lasa teo. Mety ho nofinofy ihany ve ny hahatanterahan’ny teny: “Antananarivo madio no tanjona ka tadidio”izay teny filamatra nandritra ny taona maro, raha io tarehimarika nambara io no entina hiaingana? Tsy iadian-kevitra fa raha tsy eo ny rano, ho sarotra ihany, mba tsy hilazana hoe tsy azo heverina mihitsy, ny hisian’ny fahadiovana na eo amin’ny isam-batan’olona izany na eo anivon’ny tanàna. Latsaka ambany dia ambany tokoa io taha, 24 %, io raha oharina amin’ireo tanàn-dehibe efa mandroso misy any ivelany. Vina goavana napetraky ny Tanànan’Antananarivo araka izany ny hisian’ny rano isantokantrano. Saingy tsy voafaritra kosa aloha hatramin’ny taona rahoviana no hahatratrarana izany vina izany. Olana roa no sedraina amin’ny fampidirana rano isan-tokantrano. Voalohany amin’izany ny fahefa-mividin’ny Malagasy. Mahatratra aman’hetsiny ariary ny sara tsy maintsy aloa amin’ny fampidirana rano. Arakaraky ny fahalaviran’ny fantson’ny Jirama itaritana ny rano sy ilay tokantrano ampidirana azy no mampiakatra ny vidiny. Ankoatr’izany, lafo ihany koa, raha oharina amin’ny vola miditra isan-tokantrano ihany, ny hofan’ny “compteur” alaina amin’izy ireo isam-bolana. Manodidina ny Ar 3 000 izany. Tsy mbola ao anatiny ny vidin’ny rano lany. Ankoatra ny fahefamividy ambany dia ambany, olana iray hafa ihany koa ny tsy fahampian’ny tosi-drano tonga eny amin’ny tokantrano. Misy ireo faritra eto Antananarivo-Renivohitra mandefa fitarainana fa kely tosika ny rano tonga any aminy hany ka tsy maintsy amin’ny alina no manao fanangonan-drano. Efa misy ihany ny ezaka ataon’ny Jirama amin’ny fanavaozana ireo fantsona mpitondra rano ireny saingy tsy dia mbola hita misongadina loatra ny vokatra. Tsy maintsy misy ezaka goavana takiana eo amin’ireo rehetra miasa amin’ny sehatry ny rano raha tiana ny hahazoan’ny fianakaviana tsirairay rano isan-tokantrano.
mer.
27
févr.
2013
Amin’izao fotoana dia maro ireo fikambanana no mitovy foto-kevitra amin’ny ankolafy Ravalomanana izany hoe « mitaky ny hampiharana amin’ny ankapobeny ny tondrozotra ». Isan’ny tsindriana amin’izany ny fampiharana ny andininy faha 16, 17,18, ary indrindra ny 20 momba ny fampodiana ireo sesi-tany politika. Ny olana lehibe anefa dia misaratsaraka ireo hery ireo ka manano-sarotra hany ka tsy misongadina firy ny hetsika atao. Nanao antso avo araka izany ny filohan’ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana ka nanokatra ny varavarana ho an’ireo rehetra mitovy foto-kevitra hifanome tanana. Isan’ny nahazo antso manokana moa ny Vot na ny vondron’olon-tsotra, ny Malagasy Tia Tanindrazana na ny Matita. Ireto fikambanana ireto dia manao hetsika mampisongadina azy ireo ary mitaky ny hampodiana ny filoha Marc Ravalomanana. Saingy efa fotoana ela izy ireo no nisafidy ny handeha irery ka tsy niara-dàlana tamin’ny ankolafy intsony. Raha ny fantatra dia nisy ny toromarika avy amin’ny filoha Ravalomanana ny amin’ny hiraisana hina, ahafahana mahatratra haingana ny tanjona. Andrasana aloha hatreto ny valin’izany antso izany, fa na izany na tsy izany dia mahatsapa ny mpanara-baovao fa tena hery matanjaka eto amin’ny firenena, raha ireo rehetra izay mitaky ny fampodiana an’i Marc Ravalomanana no mivondrona ho iray. Porofon’izany ireny teny Ivato tamin’ny 21 Janoary 2012 ireny. Izay indrindra no atahorana amin’izao fotoana ka mahatonga ireo mpomba ny fitondrana ankehitriny mampiasa ny fomba rehetra tsy hisian’izany firaisankina izany, hoy ny mpanarabaovao.
Vaovao Samihafa
sam.
18
mai
2013
Tsy nangina ny hetsiky ny mpitondra fivavahana fa tsy mitsahatra mitolona am-bavaka ho an’ity firenena ity. Rehefa izany dia manao antso ho an’ny vahoaka malagasy indray ity Hetsiky ny mpitondra fivavahana ity. “Izay mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana dia tahaka ny Kintana mandrakizay doria”( Daniela 12:3b) Ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana dia manasa antsika am-pitiavana hiara-hiombom-bavaka ny sabotsy 18 Mai amin’ny 10 ora sasany ao ANTSAHAMANITRA. Mahatsapa izahay fa tsy mbola fotoana hiheverana fitsaharana amin’ny fitolomana am-bavaka ho an’ny Tanindrazana izao koa zava-dehibe ny fiombonam-pontsika hanatanteraka izany. NY FAHAMARINANA MANANDRATRA NY FIRENENA
ven.
17
mai
2013
Mihisatra sy mitady ny fomba rehetra tsy hialana eo amin’ny fitondrana amin’izao fotoana izao, ny mpikambana samihafa ao amin’ny governemanta sy ny andrim-panjakana ary ireo kandidà mitana toerana ambony eto amin’ny firenena. Eo ny fandrebirebena ny saim-bahoaka amin’ny karazana rijan-tenin-dalana samihafa mba hifikirana eo amin’ny fitondrana. Eo koa anefa ireo tsy te hiala amin’ny fitondrana noho ny tombontsoa samihafa izay very manaraka an’izany fametraham-pialana izany. Misy koa anefa ny kandidà toa tsy mahazo antoka loatra fa hisy ny fifidianana amin’ny 24 jolay izao ka miandry sy mihainohaino aloha sao hiala amin’ny « seza » kanefa avy eo tsy ho raikitra na hihemotra tampoka ny fifidianana. Paolo Emilio Raholinarivo Solonavalona, manam-pahaizana momba ny lafin-tany sy ny lalana nivoaka avy teny amin’ny sekoly ambony Enam dia manana ny heviny mahakasika izany tsy fametrahan’ny kandidà eo amin’ny fitondrana fialana izany. «Tokony ho foanan’ny CES ny filatsahan-kofidian’ireo kandidà izay tsy manaiky hiala amin’ny toerany ireo satria efa tamin’ny famoahana ny lisitry ny kandidà avy ao amin’ny CES no efa tokony ho nametrapialana ireo », hoy izy. Nampiany fa mandray volam-panjakana, mampiasa ny fahefam-panjakana ireo kandidà mbola mitampikitra eo amin’ny fitondrana ireo ary tena tsy manaja ny etika politika mihitsy. « Fifidianana malalaka sy mampitovy zo ny tsirairay « équitable » no hatao eto kanefa misy olona mampiasa ny fahefany ho amin’ny fifidianana. Mba olombelona koa anie ny kandidà hafa na tsy miteny aza », hoy Paolo Emilio Raholinarivo Solonavalona. Notsindriany manokana ihany koa fa azon’ny CES atao tsara ny manala ny fametraham-pialan’ireo kandidà tsy manara-dalana ireo, raha hampiharina ny lalana fehizoro andininy faha 32. Ny kandidà eo amin’ny fitondrana kosa samy miray feo fa hiala izy ireo rehefa miala ny filohan’ny tetezamita, satria miainga avy any ambony ny ohatra !
jeu.
16
mai
2013
Tsy manaiky ny vetinkevitry ny Troika-Sadc momba ny resaka Ravalomanana Lalao ny antoko Manajary Vahoaka sy ny vondrombavaka Magro . Tsy resy lahatra izy ireo ny amin’ny tokony hanatsoahan’ny kandidà tohanany ny dosie-ny, na misy aza izay fahadisoam- panantenan’ny Sadc izay. «Tena fanambarana miendrika politika iny navoakan’ny Sadc iny, na miendrika faniriana ihany aza. Tsy misy resaka « base juridique » ilay fanambarana » hoy ny fanazavana. « Nahafeno fepetra ara-dàlana tsara ny kandidà Ravalomanana Lalao satria dia feno ny anton-taratasy notakiana taminy ary tafapetraka tamin’ny fe-potoana ara-dàlana tsara izany ». Nitondra fanamarihana momba ilay tsy fipetrahana teto enim-bolana kosa anefa izy ireo. « Mazava tsara ny didim-pitsarana, ny fanjakana no nanakana azy tsy hipetraka teto fa tsy sitrapony manokana akory. Naniry ny hody an-tanindrazana matetika izy fa ny fitondrana foana no nanakana azy tsy hiditra eto ».Ny antoko Manajary Vahoaka moa dia nilaza ampahibemaso fa tsy mankasitraka ny “Ni…,Ni…” satria « ireo vahoaka nifidy tamin’ny 2006 izay noverezin- jo tamin’ny 2009 no mitaky ny hamerenena ny zony hifidy. Ny “Ni … Ni…” dia tsy manome safidy ireo vahoaka hifidy ». Ny antoko Manajary Vahoaka tamin’ny alalan’ny filohany Rakotoson Harotsilavo moa dia manohitra ny fanambarana ataon’ny Sadc ary manantitra fa manohana ny kandidà ho filoha Ravalomanana Lalao.
Fitiavana
ven.
21
déc.
2012
Ho an’ireo mpanonofinofy, hery saro-pantarina mambabo anao, fahatsapana fahasambarana tanteraka indray mandeha mitranga izany. Raharahan’ny fo rano fotsiny, zavatra tsy azo takarina fa tsapa fotsiny. Ny tena fitiavana dia tsy ilay teraky ny indray mpi-maso (“coup de foudre”) na dia izay ekena aza fa ny hatsaran-tarehy matetika no manosika ny olona roa hifampijery am-boalohany. Mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra Ny fon’olombelona dia manana fahaiza-mitsara tsy mety diso momba ny fitiavana. Ny fanadihadiana natao tamina tanora 1079 manodidina ny 18 ka hatramin’ny 24 taona dia nilaza fa efa nandia tantaram-pitiavana fito izy ireo hatramin’izay. Nilaza ny ankamaroany fa fahatsapana ho matimaty tamin’olona, fihetseham-po mandalo sy nanjavona no hitan’izy ireo. Nilaza anefa I Ray Short tao amin’ny bokiny “Sex, Love and Infactuation” hoe : “Ny fahatsapana ho matimaty amin’ny olona dia mamitaka ny lahy sy ny vavy tsy mitandrina hiditra amin’ny fanambadiana tsizarizary”. Ny fahatsapana ho matimaty amin’olona dia fitiavana sandoka. Tsy araka ny zavatra tena izy io ary tsy mifantoka afa-tsy amin’ny tena. Ireo olona matimaty amin’olona dia milaza hoe: Tena mahatsiaro tena ho zavatra mihitsy aho rehefa miaraka aminy. Tsy mahita tory aho. Tsy hitako intsony izay ilazana izao fahatsapan-javatra mahafinaritra izao. Marina fa mety hahatsapa fihetseham-pom-pitiavana sy fifanintonana mafy ny lehilahy sy vehivavy iray kanefa tokony ho voalanjalanjan’ny fisainana sy ny fanajana lalina ihany izany. Koa inona marina ity fitiavana ity ? Mitiava dia ho hitanao ny valiny.
Sary fanomezana
mar.
18
déc.
2012
Mijery fotsiny fa tsy mampatahotra akory io...Mangitakitaka e!